I. Fikirizana no asehonay
Filofosana herim-po
Hirosoanay ho tsara hatrany
Mba ho mendrika tokoa izahay
Hitomboanay saina sy tena
Handrosoanay fitiavana koa
Ho tahaka an’i Jesoa zaza
zay mpitarika anay .


II. Ny Kolejy anovozanay
Fianarana mahasoa
Tsy hadino na aiza na aiza
Tany lavitra handehananay
Ray sy Reny manohana anay
Sy mpampianatra manoro soa
No manondrotra anay hatrany
Tafio hery Ray ô!


III. Ny sakaiza mpiray dabilio
Iray vatsy iray aina
Omeo zoto ry Tompo mahery
Ho tafita ho avo tokoa
Aza avela ny fankam-panahy
Mba hambabo ny fon’izy ireo
Fa ny saina sy fanahy tena
Holalainy tokoa.